Hiakatra hatrany ny maripana saika manerana ny Nosy, ankoatra ny maripana ambany indrindra izay tombanana hilatsaka noho ny fisian’ny zavon-tany amin’ny afovoantany sy ny ilany atsinanan’i Madagasikara, ny maraina.
Notanterahina tao amin’ny renivohitry ny faritra Atsimo Atsinanana ny fanombohana ny tetikasa “Drône” ho an’ny faritra telo : Atsimo Atsinanana, Ihorombe ary Anôsy. Hahafahana mamatsy ara-panafody sy vaksiny ireo toerana tena anaty kizo na dia moto aza no handehanana ity fitaovana ity. Mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa ny PSI sy ny GAVI.
Hikatona ny faran’ny volana ny fisoratana anarana ho an’ny fandraisana anjara amin’ny vondron-dresaka ho an’ireo olona efa niharan’ny herisetra (fanolanana, fanolanana ataon’olom-pady, herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy), ho an’ireo olona efa nampitsahatra vohoka na inona na inona antony. Mikarakara ny hetsika ny Nifin’akanga,hanomezana toerana azo antoka ahafahana mizara ny tantara, maneho ny fihetseham-po.