Fanoitry ny fampandrosoana ny tanàna iray ny fahavitan’ny lalana mivezivezy ao aminy. Izany indrindra no ivondronan’ny mpitatitra ao Andramasina manamboatra ny lalana.
Maneho firaisankina manambatra hery
amin’ny fanamboaran-dalana ireo mpitatitra any Andramasina. Hifantohan’ izy ireo ankehitriny ny fanamboarana ny tetezana ao amin’ny kaominina Ambatofahavalo, fokontany Faravohitra. Sady manampy betsaka amin’ny famoaham-bokatra no hampihena ny olan’ny fivezivezena ny fahavitan’ny tetezana. Miantoka betsaka ny fampandrosoana ireo kaominina manodidina ihany koa ny fahavitan’izany tetezana izany, toy ny ao Alarobia Vatosola, Ambohimiadana, Mandrosoa…. Teo aloha, nisy fotoana rakotra fotaka mihitsy ny lalana rehefa fahavaratra. Antenaina fa ho vita mialoha ny fahavaratra ny fotodrafitrasa mba hahafa-pahasahiranana mandritra ny rotsakorana. “Efa hetsika fanaonay mpitatitra indroa na intelo isan-taona ny toy izao ka ny lalana izay miasa aminay no tena atao”, hoy ny filohan’ny koperativa, Ravonjinarivo Thomas. Mifarimbona miaraka amin’izy ireo ny mponina sy ny mpamily… Mbola manentana ireo zanaka am-pielezana hanolo-tanana amin’ny fanarenana ny lalana any an-tanàna ireo mpitatitra. Tetsy andaniny, manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana izy ireo hamerina indray ireo fitaovana vaventy efa nanaovana ny fanamboaran-dalana tany atsimon’ Andramasina satria ilaina ireny ankehitriny. Anisan’ny olan’ny mponina any amin’ny distrikan’Andramasina ny lalana sy ny tsy fahafahana mamoaka vokatra ary ny tsy fandriampahalemana, araka ny fanazavan’ny lefitry ny ben’ny Tanànan’Ambatofahavalo, Raheriniaina Richard. Manantena ny fivoaran’ny lalana tsikelikely izy ireo amin’izao ezaka ataon’ireo mpitatitra izao.
Tatiana A