Nifanatona ireo mpitatitra amin’ny zotra an-dRenivohitra sy ny manodidina, ireo zotra nasionaly sy rezionaly ary ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Fihaonana nahafahana nifampizara ireo vaovao mahakasika ny ezaka fanamafisana ny aro lozan’ny fifamoivoizana samihafa. Nisongadina, tamin’izany, ny fametrahana ny komitim-pirenena misahana ny aro loza amin’ny fifamoivoizana izay hatsangana eo ambany fiahian’ny primatiora. Eo koa ny fanamboarana ireo lalam-pirenena mampikaikaika ny mpitatitra, izay notaterin’ny minisitry ny Asa vaventy mivantana tamin’ireo mpitatitra vonona amin’ny fanatsarana ireo fotodrafitrasam-pitaterana, toy ny tobim-piantsonana sy ny fiantsonan’ny tomponandraikitra amin’izany. Natao nandritra ny fihaonana koa ny tatitra momba ireo endriky ny tsy fandriampahalemana sy ny kolikoly izay manimba ny asan’ireo mpitatitra. Niaraha-nijery ny fanatsarana ny fomba fiasa sy fandrindrana ny andraikitry ny tsirairay. Nanentana ireo mpitatitra amin’ny fifanatonana sy fifampiresahana ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro sy ny minisitry ny Asa vaventy ho fampandrosoana ny sehatry ny fitaterana sy ny aro lozan’ny fifamoivoizana. Hotanterahina isaky ny 3 volana ny fihaonana mba nitondra fahombiazana eo amin’io seha-pihariana io.
Tatiana A