Asa haingana sy mivaingana

 

Mangingina ny tontolo politika amin’izao? Any ambadika, mandeha hatrany ny karazana kajikajy sy paipaika. Tsy inona fa ny amin’ny fandrafetana izay ho governemanta vaovao eo. Hanao ahoana? Misy tonga amin’ny kitsapatsapa, fifandresen-dahatra, fandefasana resaka na tsilian-tsofina… Na ny mpiray donak’afo aza, mety misy mifanosika an-toerana? Samy te ho… Aoka re e! Ady fiady io. Tsy inona fa politika fitantanana tanàna na firenena. Ny politika dia politika, an’ny mpanao na mpilalao politika. Mby amin’ny hoe politika politisianina amin’izay hahazoan-toerana ihetsehana sy iasana.
Ho an’ny vahoaka ifotony, izay hiatrehina ny fiainana andavanandro no mahamaika? Izay hahazakana kokoa ny vidim-piainana, izay ahazoana miasa amim-pilaminana tsy misy fitaintainana na fanahiana ny havoakan’ny ampitso… Hanao ahoana izany izay ho minisitra eo? Tena mahalala ny fahasahiranam-bahoaka, mahita vahaolana amin’ny sehatra misy azy, azo itarainana, tsy mitavozavoza, tsy miandry baiko lava… Mba tena araka ny hetahetam-bahoaka ve izay hatao? Fa tsy tsy izay mahafinaritra ny tena, na izay ihamboana fotsiny hoe manao sy mahavita ary miavaka…
Mila asa haingana sy mivaingana izany. Fanambin’ny fitondrana rahateo ny fijerena manokana sy akaiky ny olona marefo. Tsy ny maro ve no hoe marefo amin’izao? Ao anaty fahasahiranana efa ho lava, tsy mahazo antoka ny ampitso… Miandrandra asa malaky sy misy vokatra. Mby amin’ny hoe vokatra azo refesina, miantraika mivantana amin’ny fiainam-bahoaka… Olona toy inona no andrasana amin’izany? Tadiavin’ny toerana amin’izay ilana azy fa tsy mitady na itadiavana toerana hasiana azy. Mba hibahan-toerana kokoa ny fitakiana fahaiza-manao sy asa vita… hiaraha-mahita?

R. Nd.

Partager sur: