Literatiora : nampahafantarina ny asa soratr’i Dayaz

Amad Tombovelo Zayad, fantatra amin’ny solon’anarana hoe Dayaz. Mpanoratra, manan-talenta amin’ny filalaovana ny teny izy, ka nanokanan’ny fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina any Antsiranana fotoana ma­nokana, nandritra ity volana ity. Nampahafantariny ny 13, 17 ary 18 jolay lasa teo ny sanganasany, tany an-toerana. Ny tononkalo, tantara foronina ary ny angano no hironan’ity mpanoratra ity. Voaraki­tra am-boky ireo asa soratra ireo, izay nampahafantarina nandritra ireo telo andro ireo.
Mijoro ho fakan-tahaka ho an’ireo tanora ihany koa i Dayaz. ankoatra ny fampitiavana ny literatiora, nasehony ihany koa fa tsy tokony ho sakana ny fahasembanana, mila mametraka ny tanjona ary manatratra izany ny tsirairay. Tafiditra anatin’ny paikadin’ny minisiteran’ny Kolon­tsaina sy ny serasera ho fanomezana sehatra ireo mpanoratra vao misandratra isam-paritra ny hetsika fampahafantarana toa izao.

Zo ny Aina

Partager sur: