Kanto sy matihanina tanteraka ny fampisehoana nataon’ny fikambanana Iza. Na tsy anisan’ireo matihanina aza ireo mpilalao, hain’izy ireo tsara ny nambabo ny fon’ireo mpijery.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny fampisehoana nataon’ny fikambanana Ilay Zanaka Adala (Iza). « Ilay raiko izay tsy ananako » io no lohatenin’ny seho an-tsehatra nataon’izy ireo. Matihanina ary tena avo lenta tanteraka ny fampisehoana, na dia mbola ankizy sy tanora tsy matihanina amin’ny fanaovana seho an-tsehatra aza no niangaly ny tantara. Ankoatra ny fanazarana ireo mpikambana hiantsehatra, hivelarany eo amin’ny sehatry ny zavakanto, tanjon’ny hetsika ihany koa ny fitaomana ny olona hiala amin’ny zava-mahadomelina sy fanentanana ireo tanora tsy hirona amin’izany.
Tena hain’ireo ankizy sy tanora ao amin’ny fikambanana Iza no nampiditra sy nandatsaka tanteraka ny olona nijery ny seho nataon’izy ireo. “Ilay raiko izay tsy ananako”, tantara nosoratan’i Voary Velonjara. Ankizy sy tanora telo mianadahy, tafalatsaka tao anatin’ny fivarotan-tena sy fandraisana zava-mahadomelina no tantaraina ao anatin’ity tantara ity. Tantara nalaina avy amin’ny tantaram-piainan’ireo ankizy mpikambana ao anatin’ny fikambanana iza, araka ny nambaran’ny mpanoratra azy. Izany tantara izany no nentin’izy ireo nambabo ny mpijery. Ankoatra ny foto-kevitra ijoroan’ny tantara, nahatalanjona ny maro koa ny fahaizan’ireo mpandray anjara milalao ny anjara asany, izay tena nahakanto ny fampisehoana.
Samy nahazo lesona entiny eo amin’ny fiainana ny rehetra nanatrika, na ireo ray aman-dreny, na ny raiamandreny, na ny ankizy sy tanora. Voalaza ao anatin’ny tantara mantsy fa anisan’ny tompon’antoka amin’ ny fahavoazan’ny tanora izay mirona any amin’ny fivarotan-tena sy fandraisana zava-mahadomelina avokoa ireo voatanisa ireo, indrindra ireo nifanerasera tamin’izy ireo.
Lin