Théâtre Kala : manana ny maha izy azy ireo mpianatra

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Havo­ria Anosy, ny « Fangaro 2024”, fampisehoana niarahana tamin’ireo mpianatra eo anivon’ny “Théâtre Kala”. Fampisehoana dihy sy teatra no nandravaka izay seho izay. Tao anatin’izany no nanehoan’ny mpianatra eo anivon’ity sekolin-javakanto ity ny voka-pamoronana nataon’izy ireo.
Azo antoka ny hoavin’ny zavakanto malagasy, indrindra ny dihy sy ny teatra, raha ny zava-misy teny amin’ny Havo­ria Anosy no jerena. Amin’ny maha voka-pamoronana azy mantsy dia niavaka tanteraka ny seho satria seho tena mbola vaovao tanteraka sy tsy mbola fahita. Teo ihany koa ny naha zavakanto manaraka ny zava-misy ankehitriny sy ny vanim-potoana ary mamaly ny filàn’ny vondron’olona tilina. Antenaina, araka izany, fa miako tanteraka amin’ny vondron’olona tilina, indrindra ny ankizy sy tanora, izany zava-kanto noforonin’izy ireo, ary manaja ny fenitra amin’ny maha mpanabe sy mpitaiza azy. Anisan’ny lesoky ny zavakanto ankehitriny, ka antony tsy mahalina ny tanora ami­ny izay tsy famalian’ilay zavakanto ny filàny izay.

Lin

Partager sur: