Mitotaly 24 000 ireo zazalahy voafora tao anatin’ny hetsika didim-poitra faobe nataon’ny fanjakana, manerana ny Nosy. Misokatra maimaimpoana amin’izany ireo tobim-pahasalamana rehetra, araka ny toromarika nomen’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Mbola mitohy ny hetsika ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ireo kojakoja sy ny saran’ny famorana izay miakatra isan-taona.
Tena lafo ny saran’ny fanaovana famorana ireo zazalahikely any amin’ireo mpitsabo tsy miankina na rainjaza. Manodidina ny 120 000 Ar hatramin’ny 400 000 Ar izany, arakaraka ny fahasarotana sy ny fitaovana ampiasain’ny dokotera. Tsy ny rehetra, araka izany, no hanana fahefana manao izany fa tena misy ireo sahirana.
Noho izany indrindra no anaovana ny hetsika famorana faobe izay raisin’ny fanjakana an-tanana. Sady ara-pahasalamana no fomba malagasy ny fandidiana atao amin’ny zazalahikely.
Tatiana A