Misokatra ho an’ny kandidà rehetra te hiditra minisitra indray aloha ny lapa. Tsy ankanavaka izany fa izay vonona dia afaka mandefa taratasy fangatahana toy ny mpitady asa rehetra. Efa nilaza rahateo ny filohan’ny Repoblika fa tsy mirotoroto amin’ny fanendrena mba hahafahany misafidy tsara izay ho sakaiza mahatoky sy vonona hanompo vahoaka.
Mitandrina mafy ny mpifantina amin’izao fotoana izao. Mametraka masontsivana maro mba hialana amin’ny mpamosavy malemy sy ny mpanipy hoditr’akondro ao anatiny. Miezaka ny misoroka ny azo sorohina, tsy hiverenan’ireny namana mpiara-nitolona kanefa nandefona ivoho ireny. Ny zanaka an-trano ihany no saika handrodana ny fanjakana. Zava-doza!
Na inona anefa fepetra takina, zavatra tokana ihany no andrasan’ny vahoaka: minisitra miasa fa tsy minisitra hangoron-karena na mpikatsaka voninahitra fotsiny. “Madagasikara tsy maintsy mandroso”, hoy ny teny filamatry ny filoha Rajoelina Andry. Fampandrosoana tsy misy asa, mijanona ho kobaka am-bava. Mila mahay misafidy ny olona azo itokisana ka atrehi-mahavita sy iamboho-mahefa ny Praiminisitra sy ny Filoham-pirenena.
Tsy manana fotoana hanaovana fahadisoana na fangatahana andro intsony ny fitondrana mijoro. Tsy maintsy miasa amin-kitsim-po ny ekipa amin’izao fotoam-pitondrana faharoa izao. Tandrevaka kely fotsiny dia efa manimba zavatra betsaka. Ny fahaizana mifidy ny olona hanankinana ny iraka voafaritry ny Politika ankapoben’ny fanjakana no fototra. Na inona na inona kinasa, raha vao tafiditra ny fandoto iray tandroka ny raharaha dia rava maina.
Mila minisitra mahasahy mametraka fanamby ambony, azo tratrarina anatin’ny fotoana fohy ny firenena. Olona manana etika politika ka tsy hivadi-belirano manoloana ny mena miraviravy.
r.r