Fampisehoana miala kely amin’ny mahazatra no atolotry ny AFT ao anatin’izao fialantsasatra izao. Fampisehoana izay mifototra amin’ny fampivelarana ny zavakanto sy ny tontolony hatrany.
Hiaka-tsehatra eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, indray ny Compagnie Astan, mandritra ny fampisehoana « Déstination Cirque », hatao ny 3 aogositra 2024. Hetsika natao hanasongadinana ireo karazana seho mampiavaka ny fampisehoana Cirque izy ity. Anisan’ny ho hita amin’izany ny Acrobatie aerienne, ny Equilibre sur objet, ny Jonglage, ny Echassiers ary ny Magie. Tanjona amin’ny hetsika ny hampivelatra ity karazana zavakanto ity eto amintsika. Eo ihany koa ny fanomezana sehatra ireo mpiangaly azy ity.
Eny amin’ny AFT Andavamamba indray, araka izany, no haneho ny talenta sy fahaiza-manaony, indrindra ny hakingany ireo mpikambana eo anivon’ny Compagnie Astan. Hahazo tombony manokana ny ankizy amin’ity fampisehoana ity. Anisan’ireo misehatra sy miangaly ireny fampisehoana somary mampitaintaina sy mampiasa hakingan-tanana ireny mantsy ity tarika ity. Izy ireo izay anisan’ny tarika mandrafitra ny fikambanana Graines de Bitume, izay fikambanana mitaiza ireo ankizy eny an-dalambe amin’ny alalan’ny zavakanto. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny atrikasa mahakasika ny Cirque sy ny tontolony. Ao anatin’izany no ahitana ny fampahafantarana ireo karazana hetsika manodidina ny Cirque. Eo ihany koa ny fizaran’ireo efa manana ny maha izy azy ny fahaiza-manaony mahakasika izany.
Anisan’ireo zavakanto ilana fifantohana sy fahaiza-manao avo lenta ny Cirque. Mbola tsy tena manana ny toerany izy raha ny eto Madagasikara manokana. Vitsy ny olona tena mahafantatra azy fa amin’ny ankapobeny dia sokajin’ny olona ho herin’ny maizina ny fanaovana azy ireny, indrindra ny Magie. Fotoana, araka izany, io eny amin’ny AFT Andavamamba io hahafantarana misimisy kokoa izay Cirque izay, ary hianohana fampisehoana miala kely amin’ny mahazatra.
Lin