Nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany maraina tsy diso ny fanadinam-panjakana bakalorea, omaly. Nizotra am-pilaminana, araka izany, ny fiatrehan’ireo mpiadina izany.
Nanomboka omaly ny fanadinam-panjakana bakalorea manerana an’i Madagasikara. Mahatratra 218 359 ireo mpiadina miatrika izany. Mitsinjara amin’ny foibem-pampianarana 413 sy efitrano fanalana fanadinana miisa 6 410. Nisantatra ny taranja Philosophie ireo mpiadina, omaly maraina, ny taranja Anglais kosa no natao ny tolakandro. “Hita fa mizotra antsakany sy andavany ny fanadinam-panjakana bakalorea ary tsy misy ny olana”, hoy ny minisitra mpisolo toerana miandraikitra ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Fidiniavo Ravokatra, nandritra ny fidinany ifotony tetsy amin’ny CEG Avaradoha, omaly maraina.
Nizotra am-pilaminana tanteraka ny fanadinana bakalorea ho an’ny tontolo andro, omaly, raha ho an’ny foibem-pampianarana nandalovanay. Tonga mialoha teny anivon’ny foibe fanalana fanadinana ny mpiadina sasany, nisy aza tamin’ny 6 ora maraina. Nanomboka tamin’ny 7 ora sy fahefany ny fiantsoana anarana ho an’ireo mpiadina. Nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany tsy diso avokoa ny fizarana ny laza adina sy ny fanombohana. Amin’ny ankapobeny, 20 hatramin’ny 41 eo ireo mpiadina isaky ny efitra. Nahitana mpiambina roa avokoa ny efitrano tsirairay. Nisy mpitandro filaminana avokoa ny foibem-panadinana rehetra, mba hitandroana sy hiarovana ny laza adina sy ny foibem-panadinana.
Nananosarotra ny taranja voalohany
Nananosarotra ny taranja natrehin’ireo mpianatra ny omaly maraina, raha ny fanadihadiana natao. Nomarihin’ izy ireo fa sarotra kokoa ny laza adina voalohany tamin’ny taranja Filozofia, mahakasika ny politika. Mifototra amin’ny hoe: “Bibibiby mpihetraketraka ve ny olona raha tsy misy fanjakana izany?” Vitsy, araka izany, ny mpiadina sahy nanao izany, noho ny tsy fanaraham-baovao sy ny zava-misy eto amin’ny firenena. Maro tamin’ ireo mpiadina kosa no nisafidy ny laza adina faharoa mahakasika ny siansa. Nisafidy ny hamita ny laza adina tamin’ny fiteny malagasy avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra.
Mino