Fotoan’ny zaikabe sy fivahinianana masina izao. Eo indrindra koa ny fotoam-pialantsasatra sy ny fandehanana manao famadihana.
Misarika ny sain’ny rehetra ny tomponandraikitry ny Foibe fitsarana fiarakodia mba samy hanaraka ny toromarika sy ny fepetra rehetra ary ny lamina hiarahana amin’ny sampandraharaha samihafa.
Tsy maintsy mandalo fitsirihana ara-teknika manokana avokoa ireo fiara mitatitra olona ivelan’ny faritra iasany mahazatra nahazoany Licence d’exploitation, na dia mbola manana “visite téchnique” manankery aza, izay vao mangataka ny fahazoan-dalana manokana.
Hamafisina ny fitsirihana ara-tekinika mialoha ny hiaingan’ireo taksiborosy eny amin’ny tobim-piantsonana rehetra.
Ny fiara natokana hitaterana olona ihany no tokony hitondrana olona, tsy azo atao ny mitatitra olona amin’ny fiara mpitatitra entana na fiara hafa tsy natokana ho amin’izany.
Hisy ny fitsirihana tampoka eny an-dalambe
Hampiasa ny rindrambaiko “i-tsirika” koa ny DGSR mandritra izao hetsika izao, hanamorana ny fanaraha-maso ireo fiara tsy tomombana ara-tekinika sy ho fanatsarana ny fomba fiasa hifanaraka amin’ny fivoaran’ny haitao.
Tatiana A