Anatin’ny famitana ny lisitr’ireo olona hisafidianana ho minisitra ny tomponandraikitra ho amin’izany. Efa sasa-miandry ny mangataka toerana, indrindra ireo mpanohana mahafatrapo, mitady valimbabena. Samy manao izay ho afany amin’ny fanohanana sy ny fitadiavana lalana ny mpiara-mitolona.
Tsy maintsy mitady olona azo itokisana sy afaka ny hanotona ny angovony 100% ho an’ny fanjakana sy ny mpitondra izay homen-tseza eo ny mpifantina. Olona resy lahatra amin’ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika ka hitady ny fomba rehetra hanatrarana ny tanjona miaraka no ilain’i Madagasikara.
Mazava ho azy, raha nisy ny fakana bahana kely avy amin’ny fahefana mpanatanteraka, hisafidianana ny ekipa. Tsy maintsy misy ny fijerena akaiky izay hisehatra ka hahatonga ny lamasinina ho tody eny amin’ny fihantsonana farany. Taon-trano tsy efan’ny irery rahateo ny raharaham-pirenena ka asan-tarika vao mahavita izay tiana ho vitaina.
Raha ny tsilian-tsofina heno, tsy ho ela fa amin’ity herinandro ity dia mety hivaly ny fanadinana ho an’ireo mpiadina. Mbola honohono anefa satria tsy nisy hatramin’ny omaly ny adina am-bava mivantana. Tsy mbola nifanatrika mivantana ny Filohan’ny Repoblika, ny Praiminisitra, ary izay kandidà nahadingana ny sivana.
Hinoana anefa, andro sisa no ilaina dia ho feno ny mpamono baolina.