TARATRY ny KANTO

“Vazo miteny any Ambatolampy”, miaraka amin’ Ifanihy. Ao amin’ny Akany Soanampiana Ambatolampy no hotontsaina ity fiarahana ity, ny sabotsy 27 jolay izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Fotoana iray araka ny nangatahan’ny mpankafy farany izy ity, ka hitondran’Ifanihy ireo hirany efa tany amin’ny taona 1984 hatramin’izao.

Efa tokony hiroso amin’ny fametrahana fandaharam-pianarana iraisana. Manomboka hita etsy sy eroa ny foibe na toerana fampianarana kolontsaina sy zavakanto. Na samy kabary izao aza no ampianarina. Na samy gitara izao aza no tendrena, sns. Tsy mitovy ny lentan’ny fampianarana, satria, tsy misy io fandaharam-pianarana iraisana io. Ny tranga tahaka izany no miteraka ny “laza masaka”, toy ny hoe: ny mpianatra ato aminay, mianatra indroa dia mahay mitendry “Sompatra” nataon’i Barijaona.

Ankoatra ny fandraisana anjaran’ny Bloco Malagasy, amin’ny sokajy kolontsaina sy zavakanto, mandritra ny lalao Olympika, atao ao Frantsa. Hisy ihany koa
ny hetsika sy fampisehoana hataon’izy ireo ao Espagne, aorian’izay. Marihina fa ny alatsinainy teo ireto tarika ma­lagasy, miangaly ny fikapohana amponga, ireto no niala teto Madagasikara, hamonjy ny lalao Olympika.

Hisy ny « Scéne Slam », eny amin’ny IFM Anala­kely, anio tolakandro. Hetsika iarahana amin’ny fikambanana Madagaslam Section Tanà. Ankoatra ny fampisehoana, hisy koa ny atrikasa iarahana amin’ireo matihanina. Fifampizarana eo amin’ny samy mpiangaly Slam no tan­jon’ny hetsika.

Partager sur: