Andiany faha-33 ny amin’ity taona ity … Fa mbola mitoetra hatrany ny « Manala azy vita Bac », an’ny tarika Olombelo Ricky. Hiova lasy kely, fa hitazona ny laza efa napetraka kosa ny seho amin’ity.
Sabotsy 27 jolay, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Kianja Annexe Barea Mahamasina. Niova noho ny mahazatra ny andro sy ny ora ary ny toerana, saingy mitoetra hatrany kosa ilay fanahin’ny «Manala azy vita Bac». Tsy fampisehoana fotsiny izy, fa ambohipihaonan’ny tia sy ny manina isan-taona. «Samy manana ny tantarany ireo hira voarakitra isaky ny rakikira hatramin’izay. Tsy maintsy holalovana izy ireny satria nanamarika olombelona maro koa ny Manala Azy isan-taona hatramin’izay nisiany», hoy ny nambaran’ny Olombelo Ricky, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny tanàna Zoari, Manahy Ilafy.
«Taorian’ny fanamarihana ny faha-15 taonan’ny mi’ Ritsoka tamin’ny taon-dasa, izao ity indray vao hisy ny seho goavana hataonay. Toerana vaovao aminay saingy hanaovanay fanamby lehibe hatrany izany. Hisy fitaovana vaovao hiaka farany hampiasaina voalohany amin’io seho io», hoy Randriamampianina Hery, tomponandraikitra voalohan’ny mi’Ritsoka Production.
«Fampisehoana adiny 5 no angatahinay mpikarakara amin’ny Olombelo Ricky eto anatrehanareo mpanao gazety eto», hoy hatrany ny mpikarakara. Nanaiky izany ity mpanakanto andrarezina ity, ho fanomezana fahafaham-po ireo «mpanala azy», tsy ireo anaty fanadinana amin’izao fotoana izao ihany, fa indrindra koa ireo mpankafy hatramin’izay tsy diso ny fotoana ifanomezana.
Nanam-bahiny foana ny «Manala azy». Maro raha hotanisaina Izay, fa ny amin’
ity kosa dia hasain’ny Olombelo Ricky manokana i Sylvin Marc, ilay Malagasy mpanakanto mpitendry gitara beso anisan’ny mamiratra hatrany ivelany. Eo koa ireo tovovavy, Manou Radonason sy Antsiva, Izay samy mpitendry gitara beso.
Zo ny Aina