Aleo mailo !

 

Mbola ao anatin’ny fanadinana bakalorea isika amin’ izao fotoana izao. Miditra amin’ny andro fahefatra ny mpiadina. Efa nisy ny indroindrokelin’ny mpandrafitra tamin’ny fikarakarana saingy milamina amin’ny ankapobeny ny zava-drehetra. Mitohy ny fanadinana ary efa mandray ny andraikiny amin’ny famahana ny olana izay manandrify izany.
Ny tiana hisintonana ny lakolosy anefa dia mahakasika ny mialoha sy aorian’ny fanadinana. Mahakasika ireo sekoly hampianarana ny zanantsika. Tanora am-polony no voalaza fa tsy afaka nanao fanadinana tao Toamasina. Voasolokin’ny sekoly nampianarana azy ny ankizy. Lasa nitsoaka aty an-dRenivohitra ny tomponandraikitra. Indroa nahita ny maizina ireo zaza: sady very vola no tsy nahazo taratasy fiantsoana hanao fanadi­nana. Tranga tsy nahitam-bahaolana…
Mifanindran-dalàna amin’izay ihany koa. Betsaka ny oniversite tsy miankina amin’izao fotoana izao no manao varo-draikiraiky. Ny fahazon-dalana hananany amin’ny lalam-piofanana iray no hoenti-mandresy lahatra ny mpianatra hanohy fianarana amin’ny sampam-pampianarana hafa. Raha ny lalana anefa, tokony haka fahazoan-dalana sy fankatoavana vaovao izany. Indrisy misy ny tanora voalaza fa nahazo ny marim-pahaizana “licence “ no afa-baraka rehefa eny amin’ny sehatry ny asa, na mikendry hanohy fianarana amin’ny toeran-kafa. Tsy misy dikany ny diplaoma fa tsy hankatoavin’ny fanjakana ka tsy ahazoana ilay “equivalence” akory.
Dieny vao vita ny fanadinana dia tokony hanam-piniavana hanadihady izay toerana tian-kaleha ny mpianatra. Tsy ho sodokan’ny dokambarotra mipoapoaka ka hijabaka amin’ny sekoly tsy manana lanja ara-panjakana akory. Efa maro ny tanora nahita faisana! Aleo rahateo misoroka toy izay mitsabo. Ilaina ny fahamalinana, eny fa na sekoly efa manana ny lazany aza. Aleo mailo!

r.r

Partager sur: