Ezahina hovitaina amin’ity taona 2024 ity ny fanatontosana sy fanavaozana ny karinem-pokontany isan-tokantrano manerana an’i Madagasikara. Mba hahafahan’ny tokantrano misitraka ny lafin’ny maha olona sy ny sosialim-bahoaka.
«Amin’ity taona ity, tokony hanana karine vaovao avokoa ny tokantrano tsirairay avy», hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra sy ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Rasoanaivo Andry, nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina, omaly. Ankehitriny, mahatratra 1 517 268 ireo karine vaovao efa vita. 3 800 000 no ezahina havaozina amin’ity taona ity. Tanjona ny hahafahana manatanteraka ny asa fampandrosoana sy hijerena ny lafiny maha olona ary hametrahana ny sosialim-bahoaka eny anivon’ny tokantrano tsirairay avy. Anisan’ny manafaingana ny fanaovan-draharaha eny amin’ny fokontany ihany koa ity karine vaovao ity.
“Efa maro ny nahavita ny “registre” ary mbola azo atao tsara ny manavao izany ary marihina tsara ao anatin’izany kosa ny loham-pianakaviana isan-tokantrano”, hoy hatrany izy. Tsy hadino ihany koa ny mametraka ny faharefoana isan-tokantrano ao anatin’ny fanisana. Izay ahitana ny A midika ho sahirana. B midika ho antonony ary C midika ho manan-katao. Hanatanteraka ny asa fanisana sy fidinana eny ifotony ireo komity loharano eny anivon’ny fokontany. Nambarany fa izy ireo no tena mahita ny zava-misy marina sy ny toe-piainan’ny tokantrano tsirairay avy ka antony hanankinana ny asa amin’izy ireo.
Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra miasa. Misy fandraisan’anjara 1000 ariary ny karine ho an’ny kaominina ambanivohitra. 2000 ariary kosa izany ho an’ny kaominina an-dRenivohitra. Mijanona ho fampandrosoana eny anivon’ny fokontany kosa ireo vola azo amin’izany.
Mino