Mitohy ny hetsika fanentanana momba ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono ary ny fananahana ara-pahasalamana karakarain’ny ONG Douleurs sans frotières (DSF), Fisa sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Misy ny fitiliana manokana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, anio, eny amin’ny CSB Ambohipo ary eny amin’ny Esplanade oniversiten’Antananarivo kosa ny alatsinainy sy talata ho avy izao. Nanomboka ny 18 jolay lasa teo ny fitiliana hatramin’ny faran’ny volana, hoy ny fanazavana. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy afrikanina ny hetsika iarahana amin’ny fondation Axian sy ny Organisation internationale de la francophonie (OIF).
Hifantoka kokoa amin’ny tanora ny fanentanana ka manomana velakevitra ny mpikarakara, izay atao eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny fiandohan’ny herinandro izao: “Fahasalaman’ny vehivavy 360°: miaro sy misoroka ary miady”. Hiompana amin’ny lohahevitra telo ny fifampizarana entin’ny manam-pahaizana.
Ny tapany hariva, hiditra an-tsehatra eny amin’ny Esplanade Ankatso ny tanora avy amin’ny Fisa hitondra ny lohahevitra: Fananahana ara-pahasalaman’ny tanora. Hizara vaovao momba ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza koa izy ireo mandritra ny fanentanana.
Vonjy