ONG Water Aid: Nanokana vola 45 tapitrisa dolara nampivoarana ny rano

Manana anjara biriky amin’ny fampivoarana ny fisitrahana rano madio ny ONG Water Aid tao anatin’ny 25 taona niasany teto Madagasikara. Nitombo avo roa heny ny tahan’ny olona nisitraka rano madio.Nihatsara ny fampiasana ny fotodrafitrasam-pidiovana.

25 taona niasana teto Madagasikara ny ONG Water Aid ho fanohanana ny fahazoana rano madio sy fisitrahana fidiovana sy fanadiovana ho an’ny daholobe. Nisongadina ny ezaka natao niaraka amin’ny mpiray ombon’antoka amin’ny ONG sy ny fanjakana malagasy, satria nitombo avo roa heny ny tahan’ny fahazoana rano madio ho an’ ny vahoaka, hoy ny tomponandraikitry ny Water Aid, tamin’ity herinandro ity, teny Anosy. Tsara koa ny tahan’ny fampiasana ny fotodrafitrasa fidiovana sy fanadiovana teny anivon’ny kaominina niasana. Vokatry ny adisisika nataon’ny ONG teny anivon’ny fanjakana no nahazoana ny minisitera manokana hisahana ny rano, fanadiovana sy fidiovana izay niaraka namolavola ny politika hitondrana ny asa rehetra.
Nandritra ny 25 taona, noho ny asan’ny mpiantsehatra teny ifotony, olona 800 000 no nahazo rano fisotro madio ary an-tapitrisany no voaentana ka nahafehy ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony. Tanjona ny hisorohana ny aretina marobe.
23 taona aty aoriana, 53% ny tahan’ny fahazoana rano madio raha 24% izany ny taona 2000, 17% ny fampiasana fotodrafitrasam-pidiovana, 27% ny tahan’ny fanasana tanana amin’ny rano madio sy savony eo amin’ny sehatra nasionaly. Hitohy ny ezaka indrindra amin’ny fampidirana hatrany ny rano, fahadiovana sy fidiovana amin’ny politika entina hitantanana ny fiovan’ny toetr’andro. Tanjona hatrany ny hahazoan’ny daholobe rano madio.

45 tapitrisa dolara ny vola nampiasana nandritra ny 25 taona teto Madagasikara nanaovana ny asa rehetra izay nitondra vokatra mivaingana. Teo ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny fahazoana rano madio sy fanadiovana. Zava-dehibe koa ny fanofanana ny mpiantsehatra amin’ny fitantanana ireo fotodrafitrasa sy ny fitaovana napetraka. Nandrisika ny sehatra tsy miankina hampiasa vola sy hanohana ny fahazaona rano, fanadiovana sy fidiovana koa ny ONG Water Aid, hoy ny minisitry ny Rano, Fidiniavo Ravokatra. Tonga eto Madagasikara ny tomponandraikitry ny Water Aid foibe ka nitsidika tany Atsimo ary nahita ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro miantraika amin’ny fiainan’ny mponina.

Vonjy

Partager sur: