Manomana fivoriambe amin’ny toerana telo : Coliséum Antsonjombe, Ivato ary eny Ambatomirahavavy ny fiangonan’ny Vavolombelon’ny Jehovah eto Antananarivo mandritra ny hateloana: 2 ka hatramin’ny 4 aogositra ho avy izao. Nanomboka ny volana jona lasa teo ny fanomanana ny toerana handraisana ny hetsika.
Foto-kevitra hitondra ny fivoriana ny hoe: “Torio ny filazan-tsara” ka izay no hovoaboasana mandritra ny telo andro. Samy manana ny fandaharam-potoana manokana ny tontolo andro telo, hoy ny mpitondra tenin’ny Vavolombelon’ny Jehovah eto Antananarivo, Rasoloarison Andry, omaly. Hisy koa ny lahateny sy horonantsary ary fanadihadiana mandritra ny fivoriambe natokana ho an’Antananarivo. Tombanana ho 25 000 ny vavolombelona hanatrika isan’andro. Isan-taona, ny volana jolay sy aogositra no fivoriambe tahaka izao ary tontosaina maneran-tany koa amin’ireo toerana ahitana vavolombelona. 6 000 ny fivoriana karakaraina isan-taona vokatr’izany.
Efa manana vavolombelona 40 000 eto Madagasikara raha 9 tapitrisa latsaka kely maneran-tany.
Vonjy