Manaitra ny rehetra hanara-maso ny tetibola eo anivon’ny faritra Atsimo Andrefana ny CHNUT, nandritra ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra tany an-toerana, tamin’ity herinandro ity. Hetsika niarahan’ny CHNUT ao anatin’ny faritra Atsimo Andrefana sy ny ACF ary ASSOS izany. Tsy misy fandinihana ny tetibolan’ ny faritra sy ny fahatsapana ny tsy fisian’ny fiatrainkain’izany eo amin’ny fampandrosoana ny anton’ny hetsika. Narafitra nandritra izany, ny hevitra hanaterahana asa iray amin’ny maha zava-dehibe ny tetibola. Niompana tamin’ny resaka rano sy fidiovana, ny fahasalamana, ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny fambolena ny lohahevitra. Tsapa nandritra io fotoana io fa maro ny zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny any an-toerana. Noho ny tsy fisian’ny fitsinjaram-pahefana tena izy, tomponandraikitra amin’izany, ny fanjakana foibe. Raha ny fanazavana azo, tsy mamaly ny tena filan’ny vahoaka eny ifotony ny tetikasa atao any an-toerana. Mitaky fomba na paikady vaovao hananterahana ny asa fampandrosoana iray ireo rehetra ireo. Ilaina ihany koa ny fifanomezan-tanana sy ny fitoviam-pijery eo amin’ny tompondraiktra tsirairay. Efa nisy ny fanadihadiana ny zava-misy eny ifotony tena iainan’ny mponina, mahakasika ireo lohahevitra nodinihana ireo.
CMS