Mila fahamailoana: ho fialantsasatra hieren-doza

Manohy hatrany ny fanentanana ny mpampiasa lalana rehetra ny avy amin’ny ATT ary maniry ny hiainana ny fotoam-pialantsasatra hieren-doza. Manentana ireo mpandeha handeha alavitra mba hamonjy ny tobim-piantsonana ho fisorohana ny tranga izay azo fehezina toy ny ny fahavere­zan’ny entana, vola…

Raha azo atao, tsy mitondra firavaka lafo vidy sy vola be any am-balahana izay mety hisarika fakam-panahy ho an’ny hafa. Mila mailo hatrany amin’ireo mpanararaotra, mpisoloky, mpangarom-paosy…

Ireo tomponandraikitra manao fanamiana manokana sy miambozona kara-pamantarana ihany no hatonina sy hanontaniana rehefa eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-borosy. Mila mitondra karapanondro hatrany na ny dika mitovy aminy mialoha ny hiaingana. Mila sahy miteny am-pahendrena ny mpamily raha misy tranga hafahafa na fomba fintondrana fiara mampiahiahy. Raha azo atao, mandritra ny andro no atao ny dia. Tsy tokony hitokatokana rehefa misy fijanonana fakan’ aina fa miaraka amin’ny rehetra mba tsy hahavery.

Ho an’ny mpamily fiara kosa, tsy tokony hitondra entana mavesatra miohatra ny 80 cm. Toraka izany ny entana mampidi-doza toy ny lasantsy, gaz, ny toaka gasy, rongony… Tsy tokony hanao fisongonana mampidi-doza toy ny an-tampom-piakarana, na anaty fiholanana … Fadiana tanteraka ny manao dona miverina ho an’ireo mandeha alavitra. Natao ho fisorohana ny aina sy hampilamina ny dia ny fampahatsiavina matetika ataon’ny tomponandraikitra.

Tatiana A

Partager sur: