Fikambanana iray ao anatin’ny distrikan’Ankazobe, kaominina Ambolotarakely ny OIO Allons à l’école. Nahorina tany Roquebrune France, tamin’ny taona 3 febroary 2023, ny fikambanana ary hita ao Ankazobe an-tampon-tanàna. Tanjona ny hanampiana ny mpianatra malagasy eo anivon’ny kaominina sy hanomanana ny hoavin’izy ireo ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. “Ny tsy fahampian’ny fanabeazana sy ny tsy fandehanan’izy ireo any an-tsekoly no antony iray tena mahatonga ny asa fangalarana sy ny fanaovana asa ratsy ka antony nananganana ny fikambanana”, hoy ny ben’ny Tanàn’Ambolotarakely sady filoha lefitry ny fikambanana, Patrick Benjamin.
Mpianatra 2200 eny anivon’ny ambaratonga fototra sy faharoa ao amin’ny kaominina nisitraka tombontsoa tamin’ny fikambanana tamin’ny taon-dasa. Tamin’ny Novambra 2023, “conteneur 20 pieds” avy any France, nitondra fitaovam-pianarana sy fitaovana natokana amin’ny fanatanjahantena ho azy ireo. Nahitana kitapo 800 isa, baolina, “kit-scolaire” ho an’ny mpiadina nanala fanadinana CEPE sy BEPC… Ankoatra izay, natsangana ny toeram-pamakiam-boky ho an’ny rehetra. Nampiofanana ihany koa ireo mpampianatra mba hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana.
Vokatry ny fiaraha-miasan’ny ben’ny Tanànan’Ambolotarakely sy ny Frantsay antsoina hoe : Pascal Garde, izay nitsidika ity mpitantana ity ny taona 2022 izany rehetra izany. Nisoatra ny mpiara-miombon’antoka maro ny ben’ny Tanàn’Ambolotarakely. Anisan’izany, ny Fondation Sodiat, miantoka ny fanangonana sy ny fanaterana ny fanomezana rehetra. Tao ihany koa ny ny sekoly avy any Frantsa, klioba, orinasa ary indrindra ny fanjakana malagasy.
Mino




