Tonga ao Antsiranana, omaly, ny sambo « Arche de la paix » avy any Sina. Hitsabo maimaimpoana izany. Efa fanaon’izy ireo izao hetsika izao.
Nigadona, omaly, ao Antsiranana ny sambo lehibe iray an’ny firenena sinoa «Arche de la paix», izay natokana ho an’ny lafiny fitsaboana. Tonga nitsena izany ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, notronin’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, ny Vice Amiral Assany Jeannot Bemarivo, ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo ary ireo manam-boninahitra ambony eo anivon’ny Foloalindahy niaraka amin’ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana. Nisy, araka izany, ny fitsidihana manokana nataon’ ny Praiminisitra tao anatin’ity sambo misahana ny fitsaboana ity. Nandritra izany no nanazavan’ireo sinoa mpitsabo miandraikitra manokana ny sambo. Nilaza izy ireo fa tonga hanatanteraka fitsaboana maimaimpoana ao Antsiranana. Efa fanao toy ny tany amin’ny firenen-kafa nolalovan’izy ireo ny fitsaboana maimaimpoana toy izao. Haharitra herinandro ny fandalovan’ireto sinoa mpitsabo ireto miaraka amin’ity sambo goavana ity. Nanamafy ny masoivohon’i Sina miasa sy monina eto amintsika fa tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa matotra efa nisy hatramin’izay eo amin’i Sina sy Madagasikara ihany koa izao.
Jean Claude