Mahaleo, Benny sy Bebey, Samoëla: nafana ny « Revy Revy mody masoandro »

Tsy nahasehaka ny hafanana nentin’ny « Revy Revy mody masoandro » ny hatsikan’ny ririnina! Mahaleo, Samoëla, Benny sy Bebey ary Nini (Lôlô sy ny tariny), tafaray samy andrarezina no nanapariaka ny hafanana avy eny an-tsehatra… Tafapaka teny amin’ireo mpijery tonga maro be teny amin’ny Parking CCI Ivato izany. Nihira, nifaly, naneho ny heviny tamin’ny alalan’ny fihetseham-po sy fihetseham-batana ny rehetra!
Hira 10 nisantaran’i Samoëla ny sehatra. Narahin’ny revy Lôlô sy ny tariny tamin’ny hira 10 ihany koa. Nanampy ekipa i Benny sy Bebey ary i Nini. Naly teo amin’ny amponga maroanaka, i Jack Thierry, nitendry gitara. Teo ihany koa ny fotoana niarahan’i Dama sy Bekoto, Samoëla, ary ny Lolo sy ny tariny. Namarana ny seho ny Mahaleo sy ny taranany.
Anisan’ny nampiavaka ity fampisehoana ity ny nihirana ny « Veloma ry fahazazana » izay niarahana tamin’ny Roger Raimbl sy ny mpitendrin’i Samoëla niaraka tamin’i Nini. Niarahan’ny tarika rehetra kosa ny nihira ny « Hafaliana foana », « Izaho tsy maintsy mihira », « Raha mila fanampiana ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: