Fampisehoana-“Generation 2000’s”: niara-paly tamin’ireo mpanakanto ny mpankafy

Tonga maro ny mpijery nandritra ny seho “Generation 2000’s”, omaly. Nahasarika ny mpankafy ny hahita mivantana indray ireo mpanakanto nandray anjara tamin’io fotoana io.

Tontosa omaly, tetsy amin’ ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fampise­hoana “Generation 2000’s”. Hetsika nokarakarain’ny SR Event, notohanan’ny Telma. Nanohina mpankafy maro ny seho satria hipoka tanteraka ny toerana ary tonga maro nijery izany ireo sokajin-taona isan-karazany. Nahafaly ny mpankafy ny fahitana indray ny fiakaran’ireo mpanakanto an-tsehatra, taorian’ny tsy nahitana ny sasany tamin’izy ireo tao anatin’ny fotoana lava. Samy nandrasan’ny maro avokoa ireo mpanakanto nandray anjara. Nahitana an’i Titi, Tovo J’Hay, Joy K, Raboussa, Unik, Spy D ary Zay. « Na dia teo aza ny tsy fiakaran’ireo mpanakanto an-tsehatra tao anatin’ny fotoana lava, mbola tsy afaka am-bava ny hira nampiavaka azy ireo », hoy i Nadia, mpankafy nanontaniana. « Nahafa-po tanteraka ny fampisehoana satria nanome ny tsara indrindra sy nampiavaka azy avokoa ireo mpanakanto rehetra nandray anjara », hoy kosa i Rado, mpankafy hafa. Amin’ny ankapobeny, nanao sy nanolotra ireo hira efa faheno sy nahalalana azy avokoa ireo mpanakanto. Nahaliana ny maro ny fahitana ny fampiaraham-peon’i Tovo J’Hay sy
Joy K nanao ny “finoana”. Teo ihany koa ny fiakaran’i Nam­poina an-tsehatra, nampiara-peo tamin’ity mpanakanto ity nanao ny hira “silaka fanahy”.

Nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro ny hetsika ary nifarana tamin’ny 7 ora havira mahery teo. Nanana 45 minitra teo ho eo avy ireo mpanakanto nandrafitra ny seho. Anisan’ny hira tsy afaka am-bavan’ny mpankafy ny hiran’i Joy K, “dia samy tia”, “neny”, “aza arianao” ,”raiki-pitia”…
Ankoatra izay, niavaka tamin’ny haingon-tsehatra sy ny jiro maroloko ny seho nandritra io andro io. Nahafinaritra ny mpijery ihany koa ny fahi­tana ny mpitendry tsirairay avy sy ny mpandihy teny antse­fatsefany teny.

Mino

Partager sur: