TARATRY ny KANTO

Nifarana omaly, tetsy amin’ny Kianjan’ny kanto, ny “Mada gospel festival”, andiany voalohany. Nahitana mpankanto 30 isa nandray anjara nandritra ny hefarana. Fotoana nitondrana ny fomba fiainana sy hampiharana ny gospel eo amin’ny fiainana andavanandro fa tsy hijanona fotsiny any am-piangonana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny TGC ny hetsika.

Nandrombaka ny fandresena tamin’ny dingana famaranana “The next voice Magadascar”, andiany voalohany i Aina. Hitsidika an’i Maurice, mandritra ny 30 andro no loka azony avy amin’ny mpikarakara ny hetsika. Dimy mianadahy ireo mpifaninana niatrika izany tamin’ny sabotsy teo. Fotoana nanehoana ny lalam-pamonjena satria nitombo ara-panahy ary nisy fiantraikany teo amin’ny fiainan’ireo ankizy ny hetsika.

Fifaninana dingana famaranana « Fantsy line » tetsy amin’ny PK O Soarano, ny sabotsy teo. Fifaninana an-kira amin’ny alalan’ny rap mifamaly arahina feon-kira ataon’ireo mpanao rap. Nandrombaka ny fandresena tamin’ izany i Codyh. Ho fanampiana sy fanosehana ireo mpanao rap vao misandratra hiditra eo amin’ny sehatry ny mati­hanina ny anton’ny hetsika. Tafiditra ao anatin’ny fahafolo taonan’ny « Gasyploit » ihany koa izy io.

Hit music natao tetsy amin’ny tokotany malalaky ny Ste Famille Mahamasina, omaly. Fotoana natokana hanalana azy vita bac tamin’ny alalan’ny fampisehoana. Mpa­nakanto maro no nanafana sy nanome fahafaham-po ireo mpankafy tonga nanatrika izany. Anisan’izany ry Arrish, Lima, Sanih, Rim-ka, Big Mj, Raouto, Nabaoh, 3 isan-jato ary Krutambull. Hetsika nokarakarin’ny Boss Production.

Partager sur: