Hakotrokotroka ny lasy fankalazana satria endrika lasy mbola tsy nisy tao anatin’ny 100 taona no hankalazana ny jobilin’ny skoto tily eto Madagasikara. Ny 1 hatramin’ny 5 aogositra ho avy izao no hanatanterahina izany.
Efa vonona avokoa ny rehetra ka eny Fihaonana Ankazobe, PK 55 RN4, no hifanao fotoana ny tily rehetra. Rahampitso dia efa afaka miditra manomana ny toerany ny mpilasy rehetra. Ny alakamisy 1 aogositra amin’ny 8 ora sy sasany kosa ny hanaovana ny fanokafana ny lasy amin’ny fomba ofisialy, hotronin’ireo manam-pahefana sy mpiara-miombon’antoka isan-karazany ary afaka hatrehin’ny daholobe.
Tily 10 000 mahery avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no hifamotoana hiara-paly sy hikorana eny an-toerana, mandritra io herinandro io. Lasy amin’ny endriny miavaka ity indray mitoraka ity satria ankoatra ireo karazana lalao sy sahanasa efa nahafantarana ny skoto hatramin’izay (toy ny teknika skoto isan-karazany, ny fiainana ankalamanjana, sns…) dia anisan’ny hampiavaka ny lasy koa ny fisian’ireo endrika lalao ahafahana miaina ny toe-tsaina sy ny fanabeazana skoto amin’ny endriny manintona ny tanora ankehitriny (ny jeux vidéo, ny fiarahana manao fizahantany amin’ny moto…) Anisan’ny tanjaky ny skotisma ny fahaizana manome tolotra ara-panabeazana mivoatra sy manintona nefa mivoy hatrany ny toe-tsaina skoto. Ankoatra ny lalàna skoto, filamatra hiainana mandritra ny fankalazana: Marina – Mipaka – Matanjaka. Ny alakamisy ho avy izao, ny maraina hiara-hanonona ny fanekena skoto ny tily rehetra na aiza na aiza misy azy amin’io fotoana io satria ny 1 aogositra no tsingerin-taona niforonan’ny skotisma maneran-tany. 27 jan. 2024: Niainga teo Antananarivo ny lalao lakana, nitety ireo faritany tily rehetra manerana izao tontolo izao ary hiverina ao amin’ny lasy Jobily eny Fihaonana Ankazobe, ny 1 hatramin’ny 5 aogositra ho avy izao, izay marika fivoizana toe-tsaina firahalahiana.
Vonjy