Hanomboka anio ka haharitra hefarana ny fanadinana bakalorea, dingana faharoa ho an’ny sampana teknika. “Efa vonona handray ny mpiadina ny foibe sy ny mpanara-maso rehetra”, hoy ny tomponandraikitra. Mahatratra 11 262 ny isan’ny mpiadina manerana ny Nosy. 221 amin’ny sokajy technologique ary 11 041 ny fampianarana teknika sy arakasa. Momba ny fitsarana ny taratasim-panadinana bakalorea ankapobeny sy ny dingana voalohany ho an’ny sampana teknika, miandry ny fahatongavan’ny taratasim-panadinana rehetra eny amin’ny foibem-pitsarana vao manomboka ny asa. Mbola misy koa ny fivoriana fandaminana ataon’ny mpitsara sy ny tomponandraikitra voakasika.
Momba ny fivoahan’ny laza adina teny amin’ny tambajotran-tserasera, ho an’ny herinandro voalohany, nanambara ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony fa mitohy ny fanadihadiana rehetra satria tsy mbola nifarana ny fanadinana, ireo mpiasa koa mbola eny an-kianja avokoa.
Vonjy