INDRAY MIJERY

Nisy ny fiofanana ho an’ ny mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny hopitaly ao amin’ny urgence teo anivon’ny DRSP Analanjirofo, niarahana tamin’ny DCAmum sy ny OMS. Fiofanana namaliana ny hetaheta hanatsara hatrany ny tolotra fahasalamana omena ny vahoaka ary manaja ny maha olona. Fanamafisana ireo traikefa amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary (serasera) manomboka avy any an-trano ka mandra-pahatonga any amin’ny hopitaly (ATU).
Ho maina amin’ny ankapobeny ny andro ato anatin’ny telo andro hoavy, Tombanana hisy alondrano avy atsimo andrefana hipaka amin’ny morontsiraka atsimo andrefan’ny Nosy, amin’ny fiandohan’ny herinandro. Entanina hatrany ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka eo anelanelan’i Toliara sy ny tanjona Vohimena hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana eny ifotony, manomboka anio.
Taorian’ny faritra Menabe sy ny teto Anala­manga, ny faritra Atsinanana no anohizan’ny tetikasa M’Iray ny atrikasa. Narahina fiofanana momba ny fahitan’ireo olona manana fahasembanana sy ny fiarahamonina ny zava-misy mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fahafinaretana izany. Fotoana nahafahana nampita tamin’ireo olona ireo ny zony sy ny tena zava-misy marina manodidina izany fahasalamana ara-pananahana izany eto Madagasikara.
Nisitraka solosaina efatra avy ny Lycée Maoderina Ampefiloha sy ny Lycée Ambohimanarina ary Nanisana, raha roa avy kosa ny an’ny ivontoerana Asa sekoly avotra ankizy Malagasy (Asama) Andraisoro. Natolotry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mivantana izany ka ny tale misahana ny fampianarana malala-drafitra sy ny tale misahana ny fampianarana ambaratonga faharoa no nisolo toerana ny minisitera teny amin’ireo toeram-panabeazana ireo.

Partager sur: