“Hita ny zavatra iainan’ny Malagasy amin’izao: fahantrana. Tsy mihinan-kanina izy: ahoana no hihinan’ny hanina? Te hiasa izy: ahoana no ahazoany miasa? Tsy afa-mitsabo tena izy: ahoana no hahazoany mitsabo tena? Te hampiana-janaka izy: ahoana no ahazoana manao izany? Tena asa be izany no miandry ny governemanta amin’izao endri-pahantrana lalina iainan’ny firenena izao. Izay no tena andrasana amin’ny governemanta”. Fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, momba ny fananganana governemanta amin’izao izay. Mba tena olona vonona hiasa no amin’izany. Raha ilaina ny fisokafana, tsy maninona. Endrika sy marika iray amin’ny fihavanana izay. Tena iombonana ny firenena, fa tsy entin’ny hambom-po fotsiny fa miasa ho amin’ny tena fampandrosoana. Antsony manokana ny hoe: tena tokony hatao lohalaharana sy homena tombondahiny ny minisitera momba ny fiainam-bahoaka mivantana. Mba tena hahazoana mijery ny fiainan’ ny vahoaka izany.
Ny fahamatorana politika no tena tsy ampy eto amin’ny tany sy ny fanjakana, ka mety mampanano sarotra ny fananganana governemanta. Lasa tsy afa-miray hina sy miara-miasa intsony… Noho ny politika, vao tsy mitovy hevitra dia hoe mifanohitra. Raha vao mifanohitra dia tonga hoe mpifahavalo. Rehefa mpifahavalo dia tsy miara-miasa intsony. Noho izay toe-tsaina izay, ny faharatsiana sy ny tsy fahamatorana politika no lasa aty amin’ny fiarahamonina sy ny fomba fiasa, lasa tsy afa-miara-miasa ny rehetra. “Isika miezaka hoe misokatra amin’ ny any ivelany, fa isika samy Malagasy tsy mety misokatra eo amin’ny samy isika”, hoy izy.
R. Nd.