Tokony ho amin’ny 6 novambra izao ihany ny fifidianana ben’ny Tanàna, hoy ny mpiara-mitantana ny fikambanana Gasy leo, Raherimampianina Nambinina, manoloana ny fanemorana izany ho amin’ny 11 desambra. Ho avy ny orana amin’ny volana desambra, dia mety hisy indray ny fihemorana. Amin’ity taona ity ny fifidianana no tokony hatao.
Sahala amin’ireo filohana Andrimpanjakana maro. Nanao fitsidihana fanaovam-beloma ny filohan’ ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, i Issa Sanogo, mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona. Nankasitraka an’i Issa Sanogo ny filohan’ny Antenimierandoholona tamin’ny fanohanany ny fiahiana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy fa Sem Roland Kobia no masoivoho vaovao an’ny Vondrona eoropeanina hiasa eto Madagasikara. Izy, araka izany, no mandimby an’Isabelle Delattre, izay tsy nahavita ny andraikiny hatramin’ny farany. Marihina fa masoivohon’ity vondrona ity tao Ethiopie i Sem Roland Kobia, nialoha izao nahavoatendry azy ho eto Madagasikara izao.
Handray anjara amin’ny ”Forum sur la Coopération Sino-Africaine”, vinavinaina ho tanterahina ny volana septambra izao, i Madagasikara. Fotoana ahafahana manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta sy mijery ireo fanararaotra amin’ny sehatra hafa ity fihaonambe ity, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny malagasy.