“Manala azy Tanora zokiny” : fotoana faharoa homen’ny tarika Olombelo Ricky

Roa isan-taona ilay fotoan-dehibe. Efa tontosa ny voalohany, ny “Manala azy vita bacc”. Ho avy kosa ny “Manala azy Tanora zokiny”, ho famaliana ny fangatahan’ny mpankafy maro.

33 taona ny nisian’ny “Manala azy vita bacc” an’ny Olom­belo Ricky. Izy no namorona ny hetsika sy ny anarana, na dia maro mpampiasa aza. Voa­porofo kosa tamin’ny sabotsy teo, fa mitoetra hatrany ary tsy ravan’ny taona intsony ny “Manala azy”. Efa niitatra, ka nisy hetsika faharoa izany, tao anatin’ny taona vitsivitsy izay. “Manala azy Ta­nora zokiny”, izay araka ny anarany, natokana ho an’ireo sokajina mpankafy efa teo an-taonany maro.
Hotontosaina ny sabotsy 10 aogositra izao ny “Manala azy Tanora zokiny” amin’ity, eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka. Ny Decibell’ Event kosa indray no mandray ny fikarakarana amin’izay fo­toana izay. Tsy miova amin’ny fototra nametrahana azy kosa ny “Manala azy Tanora zokiny”: fitsinjovana ireo mpankafy mila seza sy latabatra mijery fampisehoana, sy te hanakaiky kokoa an’ireo mpanakanto. Natao indrindra ho an’ireo tsy afa-nijery ny “Manala azy” voalohany koa anefa, satria ireo roa ireo ihany ny fampisehoana tontosain’ny Olombelo Ricky eto Antananarivo, isan-taona.
Mialoha izany, hahazo ny anjarany koa ireo mpankafy any Antsirabe, amin’ity faran’ny herinandro ity. Hisehatra ao amin’ny B Live Club Antsi­rabe ry Olombelo Ricky sy ny tariny, ny zoma 2 aogositra izao, manomboka amin’ny 8 ora alina. Ho fifalian’ireo mpankafy any, ho avy hifampizara sehatra aminy koa i Edgard Ravahatra sy i Sylvin Marc, izay anisan’ny nanamarika ilay seho tao amin’ny Kianja annexe Mahamasina. I Sylvin Marc izay mandalo eto an-tanindrazana, anisan’ireo mpitendry gitara beso kalaza maneran-tany.

Zo ny Aina

Partager sur: