Ho fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora, manomana fiofanana momba ny «fampiasana ny teknolojia niomerika» ho an’ny tanora (18 ka hatramin’ny 30 taona) ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena sy ny UNFPA ary ny Orange Solidarité Madagascar. Tanterahina ny 5 ka hatramin’ny 9 aogositra ho avy izao, ho an’ Antananarivo, Ambovombe, Manakara, Farafangana, Toliara, Mananjary …
Ny fanabeazana momba ny fiovan’ny toetr’ andro dieny mbola kely dia tena ilaina amin’ny fanorenana taranaka ho tomponandraikitra. Nahafahana nizara fomba vaovao hampianarana momba ny fiovan’ny toetr’andro ho an’ny ankizy ny atrikasa ho an’ny mpampianatra ambaratonga fototra nokarakarain’ny Korea Foundation sy Madagascar Green Natura, mpikambana ao amin’ny Aika, miaraka amin’ny fanohanan’ny Unicef.
Nitsidika ireo fikambanana sy Akany fibeazana ankizy ao amin’ny distrikan’Antsirabe I ny fitaleavana misahana ny ankizy ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Ivontoerana mitaiza ankizy miisa 15 izay misitraka ny Tetikasa Quapem no voatsidika nandritra izany. Nijery ny zava-misy iainan’ny ankizy ao amin’ ny akany ireo ekipa.
Tsikaritra fa maro ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo bajaj eny Itaosy. Hisy ny naoty havoakan’ny minisiteran’ny Fitaterana hampanarahan-dalàna ireo bajaj miasa eny an-toerana. Omena tapa-bolana izy ireo hanaraka ny tondrozotra izay voalaza ao anatin’io naoty havoaka io. Aorian’izay kosa dia hosaziana ireo tsy manara-dalàna.




