« Prix RFI Théâtre 2024 »: miakatra ny lentan’ny fahaiza-manaon’ny Afrikanina

Amin’ireo firenena 16 nandray anjara amin’ny fifaninanana “Prix RFI Théâtre 2024”, avy eto Afrika avokoa ny antsasa-manila. Taratry ny fivoarana sy ny fandrosoan’ny zavakanton’ity kaontinanta ity izany.

Piesy teatraly miisa 13, tamin’ireo 138 nandray anjara no voatazona hifantenana izay handrombaka ny amboaran’ny « Prix RFI Théâtre 2024 ». Ny lanonana fanolorana ny amboara izay hotanterahina ny 29 septambra 2024, ao Frantsa, mandritra ny « Festival Zébrures d’automes”. Nive­latra ny lohahevitr’ireo tantara voafantina ireo. Anisan’ izany ny tantara mahakasika ny kolikoly, ny tantara an-
tsesitany, ny fampihorohoroana. Eo ihany koa anefa ny tantara mirakitra fanentanana sy fanabeazana maro samihafa mahakasika ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Mihatanora ny mpandray anjara amin’ny hetsika. Tsy ambakan’ireo zoky sy raiamandreny teo aloha anefa fa misy kalitao sy manana ny maha izy azy ny tantara nosoratan’ireo mpandray anjara amin’ny fifaninanana “Prix RFI Théatre 2024”. Resahina ao anatin’ireo tantara voafantina hiatrika ny dingana famaranana ireo ny fomba fihetsika handresena ny loza, ny fomba hanovana tantara sy hanomezana fahafahana hanavao ny faravodilanitra irina. Anisan’ izany ny “Pérejil” an’i Mélissa Beralus (Haïti), ny “Enfant” an’i Gad Bensalem (Madagas­car), ny “En route” an’i Amadou Bouna Guazong (Came­roun). Eo koa ny “Cadavres dans le bas ventre”, an’i Jocelyn Dango (Congo), ny “L’honneur des hommes” an’i Sandra Elong (Cameroun). Manampy ireo ny “Louvre-garou”, an’i Gael Thegoun Hounkpatin(Benin), ny “Agoodjié” an’i Nathalie Hounvo Yepke (Bénin), ny “Brigitte endiablée” an’i Erickson Jeudy (Haïti). Ny “On ne part pas en guerre avec une vie qui danse” an’i Phannuella Lincifort (Haiti), ny “Arbre à pépins” an’i Djo Kazadi Ngeleka (RDC), ny “Silence” an’i Israel Nzila (RDC). Miampy ny“Asphalta­ge à Bokango” an’i Yélinan Oussou (Bénin) ary ny “Trois petits sauts” an’i Salimata Togora (Mali).

Lin

Partager sur: