Fandrosoana ara-demokratika : mila mahasaky ho amin’ny miralenta ny vehivavy

Nankalaza ny Andro afrikanina ho an’ny vehivavy i Madagasikara, omaly. Nivoitra tamin’izany ny fampirisihana ny vehivavy handray andraikitra.

Toy ny firenen-kafa, nanamarika ny Andro afrikanina ho an’ny vehivavy i Madagasikara, omaly. Nika­rakara atrikasa mahakasika ny vehivavy sy politika ny Institut électoral pour une démocratie durable en Afrique (EISA), teny Anosy. Fanama­fisana ny fandraisana anja­ran’ny vehivavy eo amin’ny sehatra politika eto Madaga­sikara izany. Hetsika roa lehibe no iatrehana ny fanamby amin’izany.
Andaniny, “Vehivavy ta­no­ra amin’ny politika”, fandaharanasa fanofanana mikendry ny hampitaovana ny tanora vehivavy amin’ny fahaiza-manao, ny fitarihana ary ny tambajotra ilaina hivoahan’ny mpitarika politika mahomby. Ankilany, ny tetikasa “Maha­saky”. Mameno ny fandaharanasa amin’ny alalan’ny fanomezana fanohanana fanampiny izany. Tanjona ny ahazoan’ny vehivavy mandray ny andraikitry ny mpitarika. Ma­nampy izay ny fanasongadinana ireo hetsika sy fanamby mifandraika amin’izany eto Madagasikara.
Kendrena amin’ny hetsika rehetra ny hanolorana amin’ny mpanapa-kevitra ara-politika ny mombamomba ny vehivavy tanora mpitarika, miaraka amin’ny vina sy ny fahaiza-manao ilaina hampatanjaka ny sehatra politika malagasy. Hatao koa ny fanairana ny saina manoloana ny fanamby sy olana lehibe mifandray amin’ny fampidirana ny miralenta. Voakasik’izany avokoa ny ambaratonga rehetra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra.
Dingana lehibe mankany amin’ny hoavy ahazoan’ny vehivavy mandray anjara feno amin’ny fitantanana sy ny fampandrosoana ny firenena ny hetsika.

R. Nd.

Partager sur: