Clément Jaona : “Ara-dalàna ny fifidianana amin’ny 11 desambra”

“Nanomboka tamin’ny 10 janoary 2020 ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, dia nifarana ny 10 janoary 2024. Nohalavaina herintaona izay fiafaran’ny fe-potoam-piasana 10 janoary 2024 izay. Izay no hifarana amin’ny 10 janoary 2025”. Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna Clément Jaona. Manoloana ny adihevitra politika ny amin’ny fanemoran’ny Ceni ny fifidianana ben’ny Tanàna ho amin’ny 11 desambra, nitondra fanazavana izy. “Raha amin’ny 6 novambra ny tolo-kevitra voalohany noho ny fangatahan’ny Praiminisitra fa tsy mbola tafatsangana ny governemanta”, araka ny tokony ho izy izany, hoy izy.
Raha hatao amin’ny 11 desambra ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, mbola tafiditra ao anatin’ny ara-dalàna izay. “Milaza ny And. 54 amin’ny lalàna momba ny fifidianana fa rehefa tapitra fe-potoam-piasana ny andrimpanjakana iray, tsy miandry ny vanim-potoana maintany ny fanatanterahana ny fifidianana”, hoy izy.
Ireo andrimpanjakana tapitra fe-potoam-piasana raha amin’ny maintany dia hatao maintany ny fifidianana. Ny governemanta mitsangana no manapaka ny datim-pifidianana. “Nefa tsy maintsy hatao mahatratra ny 25 janoary 2025 ny fivoahan’ny voka-pifidianana. Fa raha manomboka ny 26 janoary 2025 izany, efa tsy ara-dalàna ny taratasy soniavin’izay ben’ny Tanàna am-perinasa. Tokony hanomboka amin’ny 10 janoary 2025 ny asan’ny ben’ny Tanàna vaovao”, hoy izy namarana ny fanazavana.

R. Nd.

Partager sur: