Homarihina amin’ny seho goavana ny 15 taona niarahan’i Eric Manana sy Jenny Fuhr miasa. Fotoana hiverenana amin’ny hira nanamarika ny fampiaraham-peon’izy ireo izany.
“2 Cv an-dRandria”. 13 taona lasa izay no nivoahan’io hira io. Hira nanamarika voalohany ny fampiarahana mozika teo amin’i Erick Manana sy i Jenny Fuhr izany. Efa roa taona nialoha
izay anefa no nanomboka ny tsikombakomba teo amin’ny mozika, ho an’ireto mpanakanto ireto. Feno 15 taona, araka izany, ny fiarahana ka mba homarihina amin’ny seho goavana izany.
Hotontosaina ny alahady 18 aogositra izao, manomboka amin’ny 2 ora atoandro, ao
amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina io seho io. Fotoana hiverenana amin’ireo hira nanamarika ny fampiaraham-peo teo amin’i Erick Manana sy i Jenny, tao anatin’izay 15 taona izay ny tapany voalohany. Misy ireo hira noforonina, ao koa ireo hira naverin’ireto mpanakanto ireto araka ny fandrindrany azy.
Manan-talenta maro
Ilay fifehezan’i Jenny ny hira malagasy eo ihany, fa anisan’ny mampihaiky ny mpankafy aminy koa ny talentany eo amin’ny karazan-javamaneno. Nitendry lokanga no nahafantarana azy voalohany, avy eo sady nitsoka sodina. Nikitika valiha taorian’ izay, ankoatra ireo zavamaneno vahiny izay efa hainy taloha. Nialohan’ny nifanojoan’ny lalany tamin’ny an’i Erick Manana, efa mpankafy ny mozika malagasy ity mpanakanto teratany alemà ity. Mpikaroka sy mpandalina manokana ny mozika izy, ka ireo kapila mirakitra mozika malagasy nangonin’ny rainy no nandrisika azy handalina bebe kokoa an’izany. Efa anisan’ireo mpijery nandritra ny fampisehoana nataon’i Erick Manana tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ihany koa i Jenny.
Mazava loatra fa hanasa ireo mpiara-dalana aminy hatramin’izay isaky ny mandalo an-tanindrazana, hifanotrona aminy sy i Jenny i Erick Manana. Ny tarika Feo Gasy izay natsangany, ahitana an’i Kolibera, Benny ary i Nini. Ry Benny sy Bebey, namany tao amin’ny Lôlô sy ny tariny, i Dama izay niara-nanatontosa fampisehoana maro taminy ary i Voara Fangia Kalo Gasy.
Zo ny Aina