« Festival de Locarno 2024 »: anisan’ny hitsara ny hetsika Razanajatovo Laza

Dingana lehibe ho an’ny tontolon’ny sinema malagasy izao nahavoatendry an-dRazanajatovo Laza ho mpitsara amin’ny hetsika lehibe manana ny maha izy azy maneran-tany izao.

Navoakan’ny mpikara­kara, omaly, ny anaran’ ireo ho mpitsara ny « Festival de Locarno” andiany faha-77. Anisan’ny mandrafitra ireo vondron’ny mpitsara amin’izany Razanajatovo Laza, talen’ny Rencontre de Film Court (RFC). Manana ny maha izy azy eo amin’ny se­hatry ny horonantsary i Laza. Ankoatra ny maha talen’ny RFC, izay mpikarakara ny “Madagas­court Film Festival” azy, mpanatontosa, teknisianina, mpamokatra ihany koa ny tenany. Maro ireo Mala­gasy sy vahiny mpanatontosa niara-niasa taminy ary betsaka ireo horonantsary misy dian-tanany, izay nambabo ny maro. Izany rehetra izany no ani­san’ny nisafidianan’ny mpikarakara azy ho mpitsara mandritra ity andiany ity.
Tanterahina ny 7 hatramin’ ny 17 aogositra 2024, ao Lo­carno-Suisse, ny “Festival de Locarno”. Anisan’ny hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny horonantsarimihetsika maneran-tany izy ity, araka ny na­voa­kan’ny Fédération internationale des associations des producteurs de films (FIAPF). Efa tamin’ny taona 1946 no niforonany ary maro ireo ho­ronan­tsary manana ny maha izy azy nivoaka avy tamin’izany hetsika izany. Sarimihetsika fohy sy antonony no mandray anjara mifaninana amin’ity « Festival de Locarno » ity. Fizarana 11, fifaninana miisa telo ary loka 20 no ho hita mandritra ny hetsika.
Ankoatra izay, ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny mpiangaly horonantsary io fotoana io. Fotoana hisian’ny fifampizarana sy fifanakalo­zana. Hahazo tombony manokana ireo vao misandratra sy ireo maniry hiditra eo amin’ity sehatra ity noho ny fisian’ireo efa kalaza sy manana traikefa miatrika ny hetsika. Antenaina hitondra vokatsoa ho an’ny tontolon’ny sinema malagasy ihany koa izao fandraisan’anjara goavana izao.

Lin

Partager sur: