Hatao any Mahajanga ny andro faha-22 : hozaraina ny boky fitsaboana ny homamiadan’ny prostate

Hotanterahina any Mahajanga ny andro faha-22 natokana ho an’ny homamiadana. Ny Association d’appui à la radiothérapie et l’oncologie de Madagascar (Arom) no mikarakara izany.

Mandritra ny roa andro, ny 7 sy ny 8 aogositra, ny hetsika any an-toerana, ka hahazo vahana ny famelabelaran-kevitra sianti­fika miisa 50 eo ho eo, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Arom, ny profesora Hasiniatsy Rodrigue. Hanana endrika roa ny fizarana: velakevitra am-bava sy aranty amin’ny tabilao hovakin’ny mpanatrika rehetra. Lohahevitra hiompanan’ny famelabelarana siantifika any an-toerana “Ny fivoaran’ny fikarakarana ny fitsaboana rehetra mahakasika ny homamiadana eto amintsika”.
Niainga tamin’ny toeram-pandraisana tokana teto An­tananarivo, ny taona 2010. Amin’ izao fotoana izao, manana sampam-pitsaboana ny homa­miadana avokoa ny renivohi-paritany dimy ankoatra ny eto an-dRenivohitra. Efa misy tsy miankina misehatra amin’ny fandraisana an-tanana ny aretina homamiadana koa eto amintsika, araka ny namba­rany.
Hampiavaka ny hetsika any Mahajanga ny fitsinjarana ny boky mirakitra ny fitsaboana ny homamiadan’ny prostate ho an’ny faritra Boeny izay faritra faha-22 hisitraka izany. 10 taona amin’ity taona ity ny sampam-pitsaboana ny homa­miadana ao amin’ny Hopitaly Androva ka mitondra ny fanohanana ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana ao amin’io sampana io ny mpitsabo rehetra. Mivondrona ny mpitsabo sy ny manam-pahaizana nidinika ny fitsaboana ny homamiadan’ny prostate mifana­raka amin’ny zava-misy eto amintsika sady mandray ny fivoarana misy maneran-tany.
Manentana ny mpitsabo sy ny mpiasan’ny fahasalamana hanatrika ny Andro natokana ho an’ny homamiadana, any Mahajanga, ny Arom.
Aretina azo tsaboina ny homamiadana raha voatily mialoha. Rehefa tonga amin’ ny dingana efa mihombo kosa, mety ho sarotra ny fahasitranana arakaraka ny tranga tsirairay.

Vonjy

Partager sur: