Nihaona tamin’ny tomponandraikitra tao Nosy Be ny mpisolo toerana ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny masoivoho amerikanina, Julianna Kim, omaly. Nandray anjara tamin’ ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny famarinana olona, tany an-toerana, ny tenany.
Nilaza izy fa manantena ny hivadihan’ireo tolo-kevitra ho lalàna izay mitaky sazy hentitra ho an’ireo mpamarina olona. Manao antso avo amin’ny governemanta malagasy i Etazonia mba hanome ny hoenti-manana hanohanana ireo lasibatry ny famarinana olona. Mila fanarenana tanteraka ireny olona ireny ary mitaky tohana ara-tsaina ny fiverenany amin’ny fiarahamonina.
Niresaka ireo olana manokana momba ny famarinana olona ao Nosy Be izy sy ny tomponandraikitra any an-toerana. Voaresaka tamin’izany ny fitomboan’ny fiaraha-miasan’ireo tomponandraikitra samihafa misahana ny ady amin’ny famarinana olona ao Nosy Be sy ny tohana ilaina.
Nandritra ny fihaonany tamin’ny Ecpat indray dia ny fiatrehana ireo endrika vaovao fanararaotana ny ankizy ao Nosy Be no nifantohan’ny dinika.
Tatiana A




