INDRAY MIJERY

Ankoatra ny lasy jobily tanterahina eny Fihaonana, fotoana maro hamaritra ny hoavin’ny sko­tisma sy ny firenena ho an’ny 100 taona manaraka ity volana ity. Rasoamahenina Sanda, Malagasy kandidà ho amin’ny komity mpitantana ny skotisma maneran-tany hofidina mandritra ny fivoariam-ben’ny skoto maneran-tany ny 17 hatramin’ny 23 aogositra ho avy izao, any Le Caire Egypta.

Ho fampiharana ny politikam-panjakana mifototra amin’ny loharanon-karena amin’ny maha olona, nidina ifotony eto amin’ny renivohitry ny faritra Atsina­nana, teo anivon’ny orinasa roa karazana sy ny Cnaps izay anisan’ny rantsa-mangaika, ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana. Anisan’izany ny Huilerie Melville.

Nomena fitaovana hahafahany manatsara ny fivelomany ireo fikambanam-behivavy mpivarotra hanimasaka miisa 75ao Manakara. Niteraka ny faharefoan’ ny fivelomany ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai sy ireny rivodoza nifanesy ireny. Nahatsiaro azy ireo, araka izany, ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina.

Mba hahalavorary ny fizarana faobe ny lay misy odimoka maimaimpoana atao manerana ny dis­trika 105, nofanina ireo sefo CSB. Ireto farany izay hanofana ireo mpiantsehatra ifotony amin’ny fizarana izany. Nampa­hafantarina azy ireo ny fomba fitantanana ara-pitaovana sy ny lafiny ara-bola, ny fanentanana ary ny fanaovana tatitra.

Partager sur: