“Mozikanay Bômba”: ho tafaraka ireo andrarezin’ny HH

Ilay rap gasy araka ny nitiavan’ny maro azy! Efa ela ireo mpankafy Hip-Hop no niandrandra ny fiarahana an-tsehatra eo amin’ireo lazaina hoe mpisava lalan’ny rap gasy teto Madagasikara. Elaela no tsy nisy tokoa, ka hofohazina indray anatin’ny “Mozikanay Bômba”. Nalaina tamin’ilay fandaharan’i Tongue Nat amin’ny onjam-peo izy. Hiarahan’ireo “indray nihira” an-tsehatra indray. Hotontosaina ny zoma 9 aogositra izao, etsy amin’ny La City Ivandry ity seho ity.
Ry zalahy mivondrona ao amin’ny Diosezy ahitana an-dry Da-Hopp, Degga-Mtse, Tongue Nat, Rado Drb, Rivokely, Bambs, sns, ho eo avokoa. Hanatevina izany ry zalahy ao amin’ny Karnaz, North & Center, Rapadango, Samantha sy Kayah ary ry TST Baz. Raha fintinina, ireo rehetra nandavaka ny tontolon’ny HH voalohany teto Madagasikara, izay notarafin’ireo zandry taty afara ireo. Tsy famerenana ny tamin’ny taona 2000 fotsiny anefa, fa fanehoana ihany koa fa mbola manohy ary milomano ao anatin’ny tontolo ry zalahy ireto.

Zo ny Aina

Partager sur: