« Jazz Tohatohabato »: samy hahazo ny anjarany ny mpankafy mozika

Tsy ny mpankafy Jazz ihany no ho hita sy hahazo tombony, mandritra ity “Jazz
tohatohabato” ity fa hisy ny hetsika sy sehatra misokatra ho an’ny gadona hafa sy mpankafy.

Tanterahina ny 7 hatra­min’ny 11 aogositra 2024, amina faritra sy toerana maro samihafa eto Antananarivo ny «Jazz tohatohabato», andiany faha-13. Hetsika ahitana zavakanto sy kolontsaina maroloko izy ity. Omena vahana manokana kosa ny tontolon’ny Jazz sy ny mpankafy azy. Tanjona amin’ny ankapobeny ny fampiroboroboana ny zavakanto sy ireo toerana voasokajy ho vakoka eto Antananarivo. Anisan’ izany ihany koa ny fampahafantarana ny Jazz, amin’ny mponin’Antananarivo. Hetsika maro isan-karazany, natao ho an’ny sokajy sy salan-taonan’ny rehetra no handravaka ity «Jazz tohatohabato» andiany faha-13 ity. Hampiavaka ny hetsika ihany koa ny fahatongavan’ireo matihanina eo amin’ny sehatry ny mozika, avy any ivelany, sy ny fandraisan’ anjaran’izy ireo ao anatin’izany.
Manamarika ny volana aogositra ny hetsika maro eo amin’ny tontolon’ny Jazz. Ta­fiditra ao anatin’izany ity tontosaina ity. Miditra amin’ny andiany faha-13 izy amin’ity taona ity. Handravaka izany hetsika izany ny «Jazz kids», hanomezana sehatra ireo ankizy avy amina sekoly mam­pianatra mozika. Eo ihany koa ny «Jazz VIP» izay andraisan’ireo olona manana andraikitra ambony anjara. Ny «Jazz Quartiers» izay mitety ireo faritra maro eto Antana­narivo Renivohitra ary mifarana eny Sabotsy Namehana. Ny “Jazz Tohatohabato” no hamarana ny hetsika, atao eny amin’ny Tohatohabato Antaninarenina.
Anisan’ny hanamarika ity andiany faha-13 ity ny fandraisan’anjara sy fahatongavan’i Martin Zenker sy Pascal Haas. Izy ireo izay matihanina sy manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny mozika, indrindra ny Jazz. Hisy ny atrikasa hotantera­hin’izy ireo. Eo koa ny fiara­han’izy ireo miasa amin’ny Malagasy mpanakanto sy ny fitondrana fanatsarana eo amin’ny mozika malagasy.

Lin

Partager sur: