TARATRY ny KANTO

Hamoaka hira vaovao ry Ndaty Lahy. Anio ny fotoana homen-dry zalahy ireo mpankafy azy, hanolorany vokatra vaovao, ao amin’ny pejy “Facebook”. Tarika mivoy ny World music izay nisolo tena an’i Madagasikara teo
amin’ny sokajy hira, nandritra ny Lalaon’ny Frankôfônia tamin’ny 2023, tany Kinshasa izy ireo. Andran-tsira amin’ny rakikira izay ketrehin’ny tarika ity hira vaovao ity.

Hankalaza ny 25 taona an-tsehatra ry Nabaoh. Niverina an-tsehatra ry zalahy ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Sainte Famille Mahamasina. Fantatra izao fa hotohizana ny seho, ary efa misy daty maromaro nomanina hatramin’io taona ho avy io. Hamerina indray ny fitiavan’ny mpankafy ny “revy sa ditra” tany amin’ny taona 2001 no tanjona, sy hambaboana ihany koa ny mpankafy vaovao.

Ankoatra ny fampianarana zavakanto sy kolontsaina. Anisan’ny mandravaka ny fandaharam-potoanan’ny hetsika «Antsika misôma vakansy», eny amin’ny IKM Antsahavola ihany koa ny fampianarana. Amin’ity anio ity, hisy fampianarana ireo fototra amin’ny fanaovana sary. Eo ihany koa ny amin’ny fanoratana sahala amin’ny tononkalo sy tantara maro samihafa.

Anisan’ny miteraka fahalemena eo amin’ny kanto malagasy ny tsy fahampian’ny rafitra mazava aorian’ny dingana tsirairay lalovan’ny mpanakanto. Na ny mpamorona na ny mpiantsehatra, samy ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay amin’ny fanjifana sy fanapariahana manara-drafitra ny kanto ataon’izy ireo. Matetika, ny “tsy ara-dalàna” indray no mahazo tombony!

Partager sur: