Hanao ahoana ihany ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly? Maneho ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. Dinidinika…
I Namearison Robert (-): Mazava ny fizaran-taona sy ny voalazan’ny lalàna hoe hatramin’ny novambra no tokony hanaovana fifidianana. Fotoan’ny fahavaratra ny aorian’izay, ka tsy tokony hisy fifidianana. Aoka samy handray ny andraikiny. Raha ny fandinihanay, ny mahatonga ny Ceni manosika azy io mba hilazana hoe tsy avy aminy ny fihemorana. Izay tolo-kevitra 11 desambra izay ny fifidianana, efa miakatra ny rano amin’ny kaominina maro. Ahoana ny fampitovian-jo ny kandidà amin’izany? Raha mbola asiana fanavahana hatrany ny fampiharana lalàm-pifidianana, maninona raha ovaina? Fa tsy asiana hatrany hoe noho izao na izatsy. Fantatra ny antony fa noho ny tsy fitsanganan’ny governemanta: nahoana no tsy mbola mitsangana ihany? Toa tsy mbola laharam-pahamehana. Mbola kajikajy hanemorana ny fifidianana kaominaly koa ve ny tsy mbola hitsanganan’ny governemanta? Rehefa fahavaratra dia fahavaratra: tsy tokony hanaovana fifidianana.
* Inona no tokony hatao manoloana an’izay?
– Izahay io efa manomana ny mpikambana hanentana ny olom-pirenena hiatrika fifidianana, na mbola tsy fantatra aza ny daty. Tsy mbola miresaka fihemorana izahay, fa tsy mbola misy daty mivoaka. Antenaina fa hisy ny daty rehefa mitsangana ny governemanta. Raha miainga amin’ny tolo-kevitry ny Ceni izay tsy voatery horaisin’ny governemanta, miandry ny governemanta sy ny fanajany lalàna isika. Rehefa tsy ho tratra amin’ny tsy fotoam-pahavaratra ny fifidianana, maninona raha atao amin’ny fotoana eken’ny lalàna?
*Inona no hataon’ny vahoaka amin’izany?
– Izay ho hanina anio no manahirana ny vahoaka… Ny ho hanina anio tadiaviny rahampitso fa notrosainy. Tena ao anatin’ny fahasahiranana sy fijaliana ny vahoaka amin’izao. Ny ataon’ny KMF/Cnoe amin’izao: hamoha ny vahoaka malagasy amin’ny faritra maromaro, hanentana ny olom-pirenena manomboka amin’izao aogositra izao na mivoaka na tsia ny datim-pifidianana: fanentanana ny olona ho kandidà na ho mpifidy, indrindra ny vehivavy.
Nangonin’i R. Nd.