Antoko Maitso: “Governemanta teknika no tokony hajoro”

“Mety izao hoe efa mitsangana ny Antenimierampi­renena vao mametraka governemanta. Heverin’ny antoko Maitso fa tokony ho governemanta politika izy io, na izay manana solontena ao amin’ny Antenimierampirenena no tokony ho minisitra”. Izay ny fanambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara, i Georget Alexandre, ny amin’ny fandrafetana governemanta vaovao amin’izao fe-potoam-piasana faharoa izao. Araka ny tenin’ny filohan’ny Repoblika: tsy mahamaika ny fandrafetana governemanta. Tsy voatery ho tapi-pahaizana ny minisitra, fa rehefa misy teknisiana manana traikefa manodidina azy dia mahavita zavatra betsaka. Izay no hoe tokony ho governemanta politika no hapetraka. Mety amin-dry zareo ny tolo-kevitry ny Ceni hoe amin’ny 11 desambra ny fifidianana ben’ ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Na andro fahavaratra aza izany, fifidianana ifotony no hatao ka tsy misy olana. Handray anjara mavitrika amin’izany fifidianana izany ny antoko, ary hanolotra kandidà maromaro.

R. Nd.

Partager sur: