Fifidianana ben’ny Tanàna: mitaky mangarahara amin’ny volan’ny kandidà ny OSC

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ireo fiarahamonim-pirenena miisa 86 eo anivon’ny OSC, omaly, tetsy Ambatonakanga, amin’izao hiatrehina ny fifidianana eny anivon’ny kaominina izao. Maromaro ireo fitakiana sy fepetra napetrak’izy ireo.

“Tokony hamafisina ny fangaraharan’ny fandaniam-bola mandritra ny fampielezan-kevitra amin’ ny alalan’ny fanasiana sazy mi­fandraika amin’ny kandidà mpandika lalàna, tsy manokatra kaonty manokana ho an’ny propagandy”, hoy izy ireo. Eo koa ireo tsy manendry mpitambola, ary tsy mametraka ara-potoana ny tatitra ara-bola mom­ba ny fampielezan-kevitra.
Takin’ny OSC koa ny fani­tsiana ny lalàm-pifidianana mba hamenoana ireo fahabangana momba ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Ny famatsiam-bola mandritra ny propagandy ary ny tsy fahampian’ny fotoana hikirakirana ny disadisa sy fifanolanana ara-pifidianana
Angatahin’ireto fiarahamonim-pirenena ireto koa ny fananganan’ny fanjakana, ny “Autorité nationale de régulation de la communication médiatisée – ANRCM” sy ny fanamafisana ny “Commission de contrôle de la vie politique – CCFVP”, araka ny voafaritry ny lalàna.

Hetsika an-dalambe sy fivoriana ankalamanjana

Takin’izy ireo koa ny fampiharana ny mangarahara eo amin’ ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny tribonaly mi­sahana ny fifidianana amin’ny alalan’ny fanalalahana ny fahazoam-baovao sy torohay ilaina sy araka ny lalàna, araka ny fanambarana hatrany.
Tokony hofoanana ireo sakantsakana amin’ny fahalalahana hivory ankalamanjana sy hanao hetsika an-dalambe.
Tsipahin’izy ireo koa ny tsindry hampiharina sy ny fanajana ny tsy fitanilan’ny sampandraharam-panjakana sy ny mpiasam-panjakana, indrindra eo amin’ny sehatry ny fampianarana, ny fahasalamana, atitany, mandritra ny fotoam-pifidianana.

Synèse R.

Partager sur: