Fikarakarana fifidianana: nankasitrahan’ny Pnud ny ezaky ny Ceni

Nandray ny solontenan’ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana (Pnud), i Natasha Van Rijin, ny avy eo anivon’ny Ceni, omaly, teny Alarobia. Nambarany tamin’izany fa afapo tamin’ny ezaka nataon’
ity rafitra ity izy ireo. Anisan’ izany ny nanatanterahana ny fifidianana mangarahara, nandraisan’ny rehetra anjara ta­min’ireo zotram-pifidianana nifanesy.
Nohamafisiny ny fitohizam-piaraha-miasa hahamafy orina hatrany ny demokrasia eto Madagasikara. Maneho ny fifanohanana sy fifanampiana eo amin’ny Pnud sy ny Ceni izao fihaonana izao, araka ny nambarany. “Ho amin’ny fampanjakana ny tany demokratika ary taratry ny fifanomezan-tanana sahady ho amin’ny fifidianana ho avy rehetra”, hoy izy.
Etsy andaniny, nankasitraka ny avy amin’ny Pnud, ny filohan’ny Ceni, Andrianari­sedo Dama Arsène. Anisan’ izany ny fanohanana teo amin’ny vola sy ny lafiny teknika. Nitana toerana lehibe tamin’ny fampandehanana ny zotram-pifidianana nifanesy, natrehina teto amin’ny firenena izany, araka ny nambarany. Teo ny fifidianana filohan’ny Repobli­ka ny 2023 sy ny depiote ny volana mey teo. “Isaorana ny fiaraha-miasa teo amin’ny fanontana printy ireo taratasim-pifidianana rehetra sy ny fahatanterahan’ny fanabeazana momba ny fifidianana”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: