HCDDED tany Toamasina: “Ilaina ny demokrasia sahaza ny Malagasy”

Nanatanteraka valandresaka tao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina, ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambony ho amin’ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), ny herinandro teo. Niompanan’ny lohahevitra sy nanentana ny mpianatra ny asa sy ny andraikitr’ity rafitra iray ity. Namintinan’ny filoha lefitry ny HCDDED, i James Ramaroson, izany ny nilazany fa fotoana izao handinihan’ny rehetra ny tena demokrasia mety amintsika. “Mba tsy handika ny avy any ivelany na ny demokrasia tandrefana. Aoka isika tanora mpianatra ireto ho sahy hijoro sy hisaina ho amin’ny rafitra demokratika sahaza ny toe-tsaina sy fanahy malagasy”, hoy izy.
Nohamafisin’ny filoha lefitry ny HCDDED ny lalana hi­zorana mba hipetrahan’ny de­mokrasia sy ny tany tan-dalàna. Anisan’izany ny zo fototry ny demokrasia antoky ny fandrosoan’ny firenena iray. Teo koa ny nampahatsiahivany ny demokrasia parlemantera niainana tamin’ny Repoblika III ka nanonganan’ny depiote, tamin’ny alalan’ny fampiatoana, ny asan’ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka tamin’izany. Nana­ma­fisany izany ny naha mpanao gazety azy sy ny traikefany ka niainany ireo Repoblika nifandimby.
Tsiahivina fa anisan’ny nitarika ny famelabelarana ny filohan’ny “Mention droit”, i Mara Jesica Shirley Annie sy ny Pr Indray Grégoire. Nano­katra ny hetsika kosa ny filoha lefitry ny oniversite Toama­sina, i Boda Richard.

Synese R.  

Partager sur: